Famangiana manjo
MPAMANGY : Manao akory avy ianareo tompoko .
VANGIANA : Indreto izahay eto ihany tompoko .
MPAMANGY : Mamangy anareo amin’ny fahoriana tompoko .
VANGIANA : Misaotra indrindra tompoko.
MPAMANGY : Eny, ry izy mianakavy, lasa tokoa ilay fihantahantana,nandao antsika ilay
fintositosiana,nindaosin’ny fahafatesana ny vady malala .Izao fahoriana mihatra noho ny
famoiza-malala izao tokoa, no toy ny fery vao ka raha hetsehina maharary . Koa tonga eto izahay
tapaka sy namana (mpifanolo-bodirindrina, Havana mpiara-miasa, sns… .) haneho ny fiaraha-
miory ka miara-malahelo sy miombom-pahoriana aminareo mitondra ny teny fampiononana dia
ny balisama manasitrana ny fery .Ny varavarana nivoahana no anareo , fa ny alahelo iarahana
mizaka .Raha ho avy ny fahoriana , hoy ny Ntaolo , misy ny mipetraka hovangina ary misy ny
mitsangana ho mpamangy ; ka izay no ijoroanay ho toy ny olon-kafa amin’izao fahoriana
iombonana izao .Amin’ny maha-kristianina no hampitrakanay sy hampahatsiahivana etoana fa
amin’ny fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no mbola hihaonantsika indray
amin’ny ireny havantsika efa nodimandry ireny , ka mahaiza mionona tompoko .
VANGIANA : Malazo tokoa ny hazo fa maty ny fakany, mitanondrika ny loha fa tojo fahoriana
.Mitsahatra amin’izay nisasarany , fa ny asany manaraka azy. Amin’izao famoiza- malala izao,
misaotra indrindra mitondra ny teny fampiononana sy fampaherezana ary indrindra ny
fampahatsiarovanareo ny teny mamy amin’ny maha kristianina antsika nentina nampitraka ny
fianakaviana .Na dia mavesatra sy manonja aza ny fahoriana , misy anareo tapaka sy namana
miara-miory aminay ka dia mionona tompoko, fa misaotra sy mankasitraka indrindra
MPAMANGY : Manaraka , izany , ry izy mianakavy , ny fahoriana toy izao moa dia tsy vitan-
tsetsetra , fa mbola tsaroana ny fomba tsara sy ny fahendrena napetraky ny razana dia ny :velona
arahim-potsimbary, ary ny maty arahin-dambamena .Koa manantateraka izany izahay tompoko.
VANGIANA : Efa zava- dehibe loatra , tompoko ny fahatongavanareo miara-miory miombina
alahelo aminay. Nefa de mbola tsy mety ianareo fa misahirana indray mandany vola aman-
karena , ka mahatsiaro sy manatanteraka ny fomban’ny razana .Mankasitraka indrindra,
tompoko, fa tsara levenana ny maty , ary heni-kaja heni-mboninahitra ny velona ,ka aoka anie ho
lasan’izay ny ratsy fa mba ny soa indray no hifanodiavantsika
MPAMANGY : Dia aza misoso pahoriana tompoko .
VANGIANA : Misaotra tompoko .
MPAMANGY : Eny , ry izy mianakavy , tianay tokoa ny hiara-mipetraka hanala fahanginana anareo
kanefa nohon’ny adidy aman’andraikitra mbola sahanin’ny tsirairay dia mangata-dalana
hitsaitsaika, izahay anefa no mety mandao fa ilay andriamanitry ny fampiononana kosa no tsy
mandao ka hitoetra aminareo mandrakariva.
VANGIANA : Tsy misy tsiny tompoko fa dia omen-dalana ianareo .